Salamo 94:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.

2. Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.

3. Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?

4. Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.

5. Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;

6. Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny

7. Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.

8. Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?

Salamo 94