5. Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6. Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7. Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.