Salamo 92:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,

2. Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,

3. Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.

4. Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.

Salamo 92