Salamo 91:3-11 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

4. Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

5. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,

6. Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.

7. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany

8. Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.

9. Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,

10. Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.

11. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.

Salamo 91