Salamo 91:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.

3. Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

4. Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

5. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,

6. Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.

7. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany

8. Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.

9. Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,

Salamo 91