43. Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.
44. Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45. Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46. Mandra-pahoviana, Jehovah รด? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47. Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!