Salamo 89:27-36 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.

28. Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.

29. Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.

30. Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,

31. Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,

32. Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.

33. Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,

34. Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.

35. Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:

36. Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;

Salamo 89