18. Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
19. Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.
20. Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21. Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22. Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
23. Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24. Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25. Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26. Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27. Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.