Salamo 89:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.

16. Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.

17. Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.

18. Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.

19. Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.

20. Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;

21. Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.

22. Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.

Salamo 89