Salamo 89:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.

2. Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.

3. Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:

4. Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.

5. Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah รด, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.

Salamo 89