Salamo 88:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;

5. Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.

6. Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7. Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

8. Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.

9. Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah รด, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.

Salamo 88