Salamo 88:14-18 Malagasy Bible (MG1865)

14. Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?

15. Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;

16. Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;

17. Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.

18. Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.

Salamo 88