Salamo 87:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.

3. Zava-malaza no anambarana anao Ry tanĂ nan'Andriamanitra

4. Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.

5. Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6. Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.

7. Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.

Salamo 87