Salamo 86:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2. Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3. Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.

4. Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5. Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.

6. Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.

7. Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.

8. Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.

9. Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.

Salamo 86