Salamo 86:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2. Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3. Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.

4. Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5. Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.

6. Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.

7. Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.

Salamo 86