Salamo 83:12-16 Malagasy Bible (MG1865)

12. Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.

13. Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,

14. Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;

15. Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.

16. Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.

Salamo 83