Salamo 81:4-12 Malagasy Bible (MG1865)

4. Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.

5. Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.

6. Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.

7. Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.

8. Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.

9. Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.

10. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.

11. Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;

12. Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.

Salamo 81