Salamo 81:13-16 Malagasy Bible (MG1865)

13. Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;

14. Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;

15. Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;

16. Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.

Salamo 81