Salamo 80:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.

6. Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.

7. Andriamanitry ny maro รด, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.

8. Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.

9. Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.

Salamo 80