Salamo 78:54-70 Malagasy Bible (MG1865)

54. Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.

55. Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.

56. Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.

57. Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.

58. Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.

59. Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,

60. Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;

61. Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.

62. Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.

63. Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.

64. Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.

65. Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.

66. Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.

67. Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.

68. Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.

69. Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.

70. Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;

Salamo 78