Salamo 78:30-45 Malagasy Bible (MG1865)

30. Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;

31. Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.

32. Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.

33. Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.

34. Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.

35. Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.

36. Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.

37. Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.

38. Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,

39. Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.

40. Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!

41. Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.

42. Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,

43. Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:

44. Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.

45. Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.

Salamo 78