Salamo 78:10-29 Malagasy Bible (MG1865)

10. Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;

11. Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.

12. Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.

13. Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.

14. Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.

15. Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.

16. Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.

17. Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.

18. Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.

19. Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?

20. Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?

21. Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,

22. Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.

23. Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,

24. Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.

25. Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.

26. Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.

27. Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,

28. Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.

29. Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.

Salamo 78