Salamo 77:5-14 Malagasy Bible (MG1865)

5. Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.

6. Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:

7. Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?

8. Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

9. Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?

10. Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.

11. Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

12. Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.

13. Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra?

14. Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.

Salamo 77