15. Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
16. Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
17. Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18. Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
19. Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
20. Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.