Salamo 76:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8. Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,

9. Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.

10. Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11. Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.

12. Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.

Salamo 76