Salamo 74:13-23 Malagasy Bible (MG1865)

13. Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.

14. Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.

15. Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16. Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.

17. Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.

18. Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.

19. Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.

20. Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.

21. Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.

22. Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.

23. Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.

Salamo 74