Salamo 73:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.

8. Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.

9. Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.

10. Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;

11. Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?

12. Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.

13. Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.

14. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.

15. Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.

Salamo 73