Salamo 72:7-14 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.

8. Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

9. Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.

10. Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.

11. Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.

12. Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;

13. Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.

14. Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.

Salamo 72