Salamo 72:2-13 Malagasy Bible (MG1865)

2. Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.

3. Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.

4. Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.

5. Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.

6. Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.

7. Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.

8. Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

9. Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.

10. Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.

11. Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.

12. Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;

13. Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.

Salamo 72