Salamo 71:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.

8. Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.

9. Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.

10. Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.

11. Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.

12. Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.

13. Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.

14. Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.

15. Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.

16. Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.

17. Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.

Salamo 71