Salamo 71:21-24 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.

22. Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely รด.

23. Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;

24. Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.

Salamo 71