1. Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2. Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
3. Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
4. Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
5. Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6. Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.
7. Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8. Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.