10. Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11. Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
12. Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
13. Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14. Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;