Salamo 69:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.

25. Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.

26. Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.

27. Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.

28. Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.

29. Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra รด; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.

30. Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.

31. Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.

Salamo 69