Salamo 68:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,

8. Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.

9. Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.

10. Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.

11. Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.

12. Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.

Salamo 68