Salamo 66:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.

10. Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra รด; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.

11. Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.

12. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.

13. Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,

14. Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15. Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.

16. Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.

Salamo 66