Salamo 66:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.

12. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.

13. Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,

14. Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15. Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.

16. Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.

17. Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.

18. Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;

19. Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.

20. Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.

Salamo 66