Salamo 64:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.

7. Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.

8. Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.

9. Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.

Salamo 64