5. Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
6. Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7. Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
8. Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9. Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10. Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.
11. Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.