Salamo 62:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

7. Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

8. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.

9. Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

10. Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.

11. Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.

Salamo 62