Salamo 61:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

4. Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,

5. Fa Hianao, Andriamanitra รด efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.

6. Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

7. Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

8. Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.

Salamo 61