Salamo 60:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.

5. Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

6. Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

7. Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;

8. Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.

9. Iza no hitondra ahy ho any an-tanĂ na mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?

Salamo 60