3. Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
4. Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5. Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?
6. Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.