Salamo 6:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2. Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.

3. Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?

4. Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.

Salamo 6