Salamo 59:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.

7. Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?

8. Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.

9. Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.

10. Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.

11. Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.

Salamo 59