Salamo 59:12-15 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.

13. Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.

14. Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanĂ na.

15. Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.

Salamo 59