7. Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
8. Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
9. Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10. Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11. Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
12. Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13. Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.