11. Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
12. Nivoady taminao aho, Andriamanitra รด, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13. Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.