Salamo 56:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

2. Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

3. Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.

4. Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?

5. Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

6. Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

7. Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.

8. Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?

9. Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

10. Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

Salamo 56