Salamo 50:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;

10. Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.

11. Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.

12. Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.

13. Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?

14. Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;

15. Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.

16. Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?

17. Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.

18. Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.

19. Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.

20. Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.

21. Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.

22. Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.

Salamo 50